NY FITIAVANA (L’AMOUR/ LOVE)

Angamba ianao hilaza hoe : « ny fitiavana ; izay tena tia no mahafoy ny ainy ho an’ny tiany. » Marina izany tsy ho disoina, ary tranga fahita teto amin’ny tany ama-monina hatrizay ka hoy ireo latsa-paka tao anatin’ny fitiavany ny olon-tiany hoe: “matesa anie aho alohan’ise”. Fitiavana ve hisy mihoatra izany? Ny fahafatesana anefa no atahoran’ny velona indrindra, ka na ireo mamono tena aza mbola miantso vonjy sy manenina amin’ny zavatra nataony. Ao ireo mikaroka ny fomba mba tsy hialan’ny aina, mba ho velona hiriaria eny ihany ka hahita ny taranaka handalo hifandimby fa izy hijanona foana. Mamy ny fiainana fa ny fitiavana mbola lavitra noho izany.

“Tiako ianao ka aloe izaho no ho foana toy izay ianao.” Fitiavana ny olon-tiana ve izany? Tsy ho sahiko ny hilaza. Fitiavan-tena mihoam-papana izany. Efa iaraha-mahalala fa ny fiainana dia fifangaroan’ny mamy sy mangidy, “tantely amam-bahona ny fiainana” hoy ireo Razambentsika. Torak’izany ny fitiavana, dia tsy ho tanty ve izay aretim-pitia hahazo raha ho tonga ora hidonan’izany? Fitiavan-tena mihoam-pampana izany, tsy fananana hazon-damosina ary fanaovana ambanin-javatra ilay lazaina fa “olon-tiana” satria aloe izy no hizaka izay fijaliana rehetra rehefa hindaosin’ny fahafatesana ianao. Raha tia azy tokoa ianao, maninona no tsy izy no avela ho lasa aloha dia manaraka ianao taona maro aty aoriana?

Kanefa na izany na tsy izany, haharitra amin’izany ve ny fitiavana; haharitra hatramin’ny fara-fofonaina va izany fahatsampana izany? Asa lahy. Maro ihany no efa tia saingy tsy mbola maro no nilaza fa tsy niova ilay fitiavana nandritra izay fotoana lava izay. Vitsy ary tsy misy. Ilay mamy tany am-boalohany iny, rahefa nandalo ny volana sy ny taona, ary ny fiainana maro, dia nihamalazo ihany, ka zary tendrom-bohitra nokahon’ny riaka, feno lavadavaka na dia mbola mijoalajoala ihany aza. Ka ireo atsanga niala teo lasa an-toeran-kafa; lasan’olonkafa, lasan-tsakaiza. Ny hany mety hahatana izany, tsy niova, dia ireo olona maty andro vitsivitsy aorian’ny nanombohany niarahana tamin’ny olontiany. Mbola voatana amin’io ny hafanan’ilay fitiavana vao mangotraka.

Tsy maharitra mandrakizay ny fitiavana, ny fiainana aza misy fetra. Rehefa ela, indrindra rehefa ao anatin’ny fanambadiana, dia toa lasa mifampitaiza sisa, fa ilay fitiavana natao haharitra lasan’ny fahavaratra sy ny nikaraikon’ny ririnina ary haraky ny lohantaona nifanesy.

Rasl Metaly

4 Réponses to “NY FITIAVANA (L’AMOUR/ LOVE)”

  1. andriamanantsoa Says:

    ny fitiavana,mahery ny fitiavana mahery sarotra resena.nefa atao ahoana moa,fa io no efa natoraly taloa.

  2. ramanantsoa Says:

    ny fitiavana anie ka fahasambarabe nomenjanahary oanolojamby . enao iany anefa no mitondra anizany . fitiavana zany tsy

  3. andriamanantsoa Says:

    tsara ny fitiavana nefa,aoka tsy ho hatao haintraitra fotsiny.mahereza ary ranadahy sy ranabavy.ento mora ilay fitiavana

  4. andriamanantsoa Says:

    ny fitiavana dia tokony ts atao kilalao fa rehefa tia d tia ary tokony hifanaja ny mpifankatia refa mifanaiky,ny fitiavana tsy toy ny anana ka atoko sy amidy ary arina ra malazo

Laisser un commentaire